![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
| Repoblikan'i Madagasikara |
| Ry Tanindrazanay Malala o! |
![]() |
| I Ry Tanindrazanay malala o! Ry Madagasikara soa Ny Fitiavanay anao tsy miala, Fa ho anao doria tokoa Fiverenena Tahionao ry Zanahary Ity Nosin-dRazanay ity Hiadana sy ho finaritra He! Sambatra tokoa izahay. II Ry Tanindrazanay malala o! Irinay mba hanompoana anao Ny tena sy fo fanahy anananay, 'Zay sarobidy sy mendrika tokoa Fiverenena Tahionao ry Zanahary Ity Nosin-dRazanay ity Hiadana sy ho finaritra He! Sambatra tokoa izahay. III Ry Tanindrazanay malala o! Irinay mba hitahiana anao, Ka ilay Nahary izao tontolo izao No fototra ijoroan'ny satanao. Fiverenena Tahionao ry Zanahary Ity Nosin-dRazanay ity Hiadana sy ho finaritra He! Sambatra tokoa izahay. Namorona ny Tonony: Pasteur Rahajason, 1958 Namorona ny feony: Norbert Raharisoa, 1958 |