Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

 

      

“Fa izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah,
dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza,
mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.”
                                                                                       Jeremiah 29:11   
         
                                                                    

Fifaliana lehibe ho anay ao amin'ny Masombahiny.com ny miarahaba anao

sy ny ankohonanao tratry ny Taona Vaovao 2010.

“Ho taom-pahasambarana, feno ny fahasoavan’ny Tompo

ho antsika mianakavy anie ity taona vaovao diavintsika ity.”

 

Mirary soa sy fahombiazana ary fahasalamana ho antsika mianakavy lalandava.

“Andriamanitra homba sy hitantana ny diantsika tsirairay avy

amin’ity taona vaovao 2010 ity”

 

      

      


" Car je connais les projets que j'ai formés sur vous, dit l'Éternel,
projets de paix et non de malheur, afin de vous donner un avenir et de l'espérance."
                                                                                        Jérémie 29:11

 

L'équipe de Masombahiny.com vous souhaite une Bonne et Heureuse Année 2010
On profite pour vous présenter et souhaiter nos meilleurs voeux de santé, reussite, bonheurs, prospérité et beaucoup d'amour tout au long de cette Nouvelle Année 2010

 

                          

                     

        

  

      " For I know the plans I have for you," says the LORD.
They are plans for good and not for disaster, to give you a future and a hope."
Jeremiah 29:11 
      

 

 Wishing you a New Year filled with new hope, new joy, and new beginnings  

                

         Wishing you good health

       Good friend, good times

          Good cheer, and happiness

Throughout the year

                     

May God bless you abundantly in the New year 2010!!
 

     

      

 

Vaovao : Asabotsy 30 Janoary 2010 amin'ny 4:00PM

"  FAMANGIANA "

Ry Malagasy Tapaka sy Namana eto Washington, DC sy ny manodidina,


Tompoko,


Araky ny taratasy izay nalefa tamin'ny volana Desambra 2009 momba ny famangiana ny namantsika iray izay nandao ny ray aman-dreny:

Dr. Frank Schweingruber

Ny Alahady 29 Novambra 2009 tao Evanston, Illinois.

Hoy ny zanany,
Wendy Schweingruber sy Isidore Ralaingita

Ny zafiny,
Delcene Ralaingita
Ary ny fianakaviana manontolo.

Ny famangiana ny fianakaviana dia tokony natao ny volana Desambra lasa teo, fa noho ny toetr'andro ratsy izay niarahantsika nahalala dia nofohanana.


Ny Fianakaviana dia hivory ao amin'ny:

5621 Ruatan Street,
Berwyn Heights,
MD, 20740

Asabotsy 30 Janoary 2010 izao amin'ny 4 ora tolakandro.

Mba ahafahantsika mpiara- monina Malagasy eto Washington sy ny manodidina manao ny famangiana ny fianakaviana.

Ity no solon'ny fampandrenesana ka dia aoka isika mba hifampilaza azafady.


Misaotra indrindra.

 

Vaovao : Alahady 31 Janoary 2010 amin'ny 3:00PM

" FILAZANA MANJO sy FAMANGIANA "

Ry Malagasy Tapaka sy Namana eto Washington, DC sy ny manodidina,
 

Tompoko,
 

Amin'alahelo lehibe no hampandrenesanay anareo fa nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alatsinainy 21 Desambra 2009 ny Ray aman-dreny:

John Ralph Ratovohery

rehefa nivahiny 73 taona teto an-tany.
 

Ary nalevina tamin'ny Alatsinainy 28 Desambra 2009 lasa teo.

Hoy ny Vady navelany Esther Ratovohery,

 

       Ny zanany,

 Tina Ratovohery,
                 Malala sy Alex Rabearisoa,
                 Mamy sy Olivia Ratovohery,
  Iary Ratovohery.
 
Ny zafikeliny
                Jessica, Andrea, Brandon Rabearisoa
            Stephanie, Rija Ratovohery

Ary ny fianakaviana tsy ankanavaka.
 


Ny Fianakaviana dia hivory ao amin'ny:

2509 Doverhill Court, Woodbrige, VA 22192 
ny Alahady 31 Janoary 2010 izao.
Amin'ny 3 ora tolakandro.


Mba ahafahantsika mpiara- monina Malagasy eto Washington sy ny manodidina manao ny famangiana.

"Ho an 'Andriamanitra irery anie ny voninahitra."

Ity no solon'ny fampandrenesana ka dia aoka isika mba hifampilaza azafady.

 

 

P.S. Mba hiangaviana ny rehetra mba hametraka ny fiarany eny amin'ny Forest Hill Road raha tsy mahadiso azafady.