Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Alahady 06 Desambra 2009 manomboka amin'ny 4:30PM - 5:30PM

KRISMASIN’NY ANKIZY

 

Fianaran-kira Krismasy ho an'ny Ankizy

Faly miarahaba antsika rehetra,

Tonga indray ity ny Noely ka araka ny fanao isan-taona dia faly manasa ny ankizy eto Washington DC sy ny manodidina izahay mba handray anjara amin'ny fety Krismasy izay ho atao ny 25 Desambra amin'ny 6 ora hariva ao amin'ny Wesley.

Ny famerenana voalohany dia  ho atomboka ny  Alahady 6 Desambra 2009 amin'ny 4:30 - 5:30 izay ho atao ao amin'ny:

 
2207 Greywing St
Woodbridge, VA 22191

 

Iangaviana isika mba hanamparitaka ity filazana ity amin'izay maniry handray anjara ka tsy tratr'antso.

 
Misaotra indrindra.

 
Ny mpikarakara

 

Vaovao : Fianaran-kira Chorale Noely 2009 

            

 
Manao ahoana daholo isika rehetra,

Noho fahatongavan'ny Noely  2009, dia hisy  ny  famerenan-kira ho any Chorale toa ny mahazatra, izay ho atao amin'ny fiaraha-mivavaka Noely  Malagasy .
Koa manasa antsika rehetra mpanao chorale tsy ankanavaka sy izay mazoto hanafana ny chorale mba ho avy hamonjy ny famerenan-kira,

Izany dia atao ao amin' ny tranon'i:

Ramatoa Alphine Ratsimbazafy
       

8909 Blue Smoke Drive
Gaithersburg, MD 20879


        Tel:             (301) 948 0947 (home)    
                         (302) 547 5288 (cellular)

Ny fotoana dia manomboka amin' ny 4 ora , (4.00 pm) hariva .

Raha mila fanazavana fanampiny amin'ny fandehanana any amin'i Mrs Alphine Ratsimbazafy  dia aza misalasala miantso ny telephone           

 301-948-0947 / 302-547 5288      
Tsy hanananay daholo ny e-mail ny rehetra fa dia mba ampitampitao ny hafatra azafady.

Dia misaotra antsika mialoha.

Ny mpikarakara.

 

 

 

Vaovao : Alahady 13 Desambra 2009

Fianaran-kira Chorale Noely 2009 

            

 
Manao ahoana daholo isika rehetra,

Noho ny fahatongavan'ny Noely  2009, dia hisy  ny  famerenan-kira ho any Chorale toa ny mahazatra, izay ho atao amin'ny fiaraha-mivavaka Noely  Malagasy .
Koa manasa antsika rehetra mpanao chorale tsy ankanavaka sy izay mazoto hanafana ny chorale mba ho avy hamonjy ny famerenan-kira

 

Izany dia atao ao amin' ny tranon'i:

11786 Bayfield Ct
Reston VA 20194


       

Ny fotoana dia aorian'ny famangiana izay atao ny  tolakandron'ny Alahady 13 Desambra 2009.

Raha mila fanazavana fanampiny amin'ny fandehanana any amin'i Bakoly Randrianarivelo  dia aza misalasala miantso ny telephone
 .
Tsy hanananay daholo ny e-mail ny rehetra fa dia mba ampitampitao ny hafatra azafady.

Dia misaotra antsika mialoha.

Ny mpikarakara.


 

Vaovao : Alahady 13 Desambra 2009 amin'ny 3:00PM

" FILAZANA MANJO "

Ry Malagasy Tapaka sy Namana eto Washington, DC sy ny manodidina:

Hampandrenesana isika fa Violette sy Bruno Razafindrangodona ary
Rtoa. Olga Andrianifahanana Robiarisoa dia namoy Ray, Iray tampo:

 Jean Paul ROBINSON
  rehefa nivahiny  82 taona teto an-tany

ny Zoma 27 Novembra 2009 lasa teo ary ny fandevenana dia notanterahina ny Alarobia 2 Desambra 2009 tany antanindrazana.

Ny Fianakaviana dia hivory ao 7715 Kalorama Road ao Annandale, VA  22003 ny Alahady 13 Desambra 2009 ka ny fandaharana dia toy izao manaraka izao:

- 3 ora tolakandro: fotoam-pivavahana fohy ho fanomezam-boninahitra
  an'Andriamanitra sy ho fankaherezana ny fianakaviana;

- ao aorian' izay kosa no  hanantanterahantsika ny fiaraha-miory amin'ny
  fianakaviana  araka ny fem-pihavanana malagasy.

Ity no solon'ny fampandrenesana ka dia aoka isika hifampilaza.

Misaotra Tompoko.

 

Vaovao : Asabotsy 19 Desambra 2009 manomboka amin'ny 1:00PM - 5:30PM

Fanovana sy Fampandrenesana momba ny fianaran-kira sy famangiana amin' ny Asabotsy
 
Ry Mpiara-mihira namana,
 
Nohon' ny fifandrifin' ny fotoana famerenan'ny chorale ny hira Krismasy sy ny famangiana an' i Ingahy Ralaingita dia manentana antsika rehetra mba hiaraka hanatontosa ny famangiana amin' ny 1 ora tolakandro fa tsy amin' ny 3 ora miaraka amin' ny be sy ny maro. Ingahy Ralaingita dia efa nampilazana ary efa nanaiky tsy ampihambahambana ny handray ny mpihira amin' io fotoana io.
Rehefa vita ny famangiana dia hiaraka hitodi-doha any an-tranon' 
 
Andriamatoa Roger RALAY mivady
    5314, Bangor Drive
      MD-20895 

 isika ary any no hanao ny famerenan-kira fa tsy any amin' i Bakoly indray. Izany dia natao mba hahamora ny fifamoivoizan' ny rehetra..
Raha toa ka tsy afaka amin'ny famangiana dia mba tongava amin'ny 3.30 pm ,tsy diso araka ny vaovao mialoha.
 
Manantena fa tsy hanakorontana ny fandaharam-potoanan' ny maro ireo fanovana ireo ary miangavy izay mila fanazavana fanampiny mba hiantso an' i Madame Alphine ( Tel: 301-613-0099// 301-655-4036), Bakoly ( Tel: 703-622-6652 ) na Andrianina (Tel: 703-336-9437)..
 
Misaotra indrindra.

Vaovao : Asabotsy 19 Desambra 2009

" FILAZANA MAIKA"

Nohon'ny toetr'andro, dia foana ny famangiana izay kasiana atao an' i Ingahy Ralaingita androany

 Asabotsy 19 Desambra 2009

Mbola holazaina eto ihany ny fotoana hanatanterahana ny Famangiana manaraka

Misaotra indrindra tompoko

Vaovao : Asabotsy 19 Desambra 2009 amin'ny 3:00PM

" FILAZANA MANJO sy FAMANGIANA "

Ry Malagasy Tapaka sy Namana eto Washington, DC sy ny manodidina:

Ampandrenesina isika fa i Dr. Frank Schweingruber, rain'i Wendy
Schweingruber Ralaingita dia nodimandry tamin'ny Alahady 29 Novambra 2009
tao Evanston, Illinois, rehefa nivahiny 72 taona teto antany.

Ny fianakaviana dia hivory ao 5621 Ruatan Street, Berwyn Heights, MD,
20740
, ny Asabotsy 19 Decembre 2009 izao @ 3 ora tolakandro ka amin'izay
no hanantanterahantsika ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviana araka
ny fem-pihavanana malagasy.

Ity no solon'ny fampandrenesana ka dia aoka isika hifampilaza.

 

Vaovao : Alarobia 23 Desambra 2009 manomboka amin'ny 7:00PM


Fiantsoana famerenan-kira ho any Chorale

            

Manao ahoana daholo isika rehetra,

Noho ny toetr'andro izay tsy nahafahantsika namerina hira tamin'ny Asabotsy lasa teo, dia hisy  ny  famerenan-kira ho any Chorale , izay ho atao amin'ny fiaraha-mivavaka Noely  Malagasy .
Koa manasa antsika rehetra mpanao chorale tsy ankanavaka sy izay mazoto hanafana ny chorale mba ho avy hamonjy ny famerenan-kira,

Izany dia atao ao amin' ny tranon'i:

Ramatoa Alphine Ratsimbazafy
        8909 Blue Smoke Drive
Gaithersburg, MD 20879


        Tel:             (301) 948 0947 (home)    
                         (302) 547 5288 (cellular)

Ny fotoana dia ny Alarobia 23 Desambra 2009, manomboka amin' ny 7.00 ora , (7.00 pm) hariva .

Raha mila fanazavana fanampiny amin'ny fandehanana any amin'i Mrs Alphine Ratsimbazafy  dia aza misalasala miantso ny telephone           

 301-948-0947 / 302-547 5288      
Tsy hanananay daholo ny e-mail ny rehetra fa dia mba ampitampitao ny hafatra azafady.

Dia misaotra antsika mialoha.

Ny mpikarakara.
 

 

 

Vaovao : Alahady 25 Desambra 2009 manomboka amin'ny 2:30PM

" FAMERENAN-KIRA KRISMASY FARANY HO AN'NY ANKIZY"

Ny famerenan-kira farany ho an'ny ankizy dia atao ny Zoma 25 Desambra 2009 amin’ny 2 ora sy sasany hariva any Wesley (Cafeteria).

Amporisihana isika Ray aman-dreny mba hamerimberina miaraka amin’ny zanantsika ireo hira anjaran’ny tsirairay avy.

  Mba hiangavana isika hampita ity hafatra ity amin’ny hafa. 

Misaotra indrindra,

 Ny mpikarakara.

 

Vaovao : Zoma  25 Desambra 2009 manomboka amin'ny 5:00PM

     Krismasy 2009  

 

“Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho,

dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Lioka 2: 10, 11

Tonga indray ity ny fotoana hankalazana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy antsika

 ka manasa ny rehetra ho tonga maro hiara-hivavaka ny

Zoma 25 Desambra 2009 amin'ny 5 ora hariva

ao amin'ny

4500 Massachusetts Avenue, NW

Washington, DC 20016


Ny fotoana dia hisy famakiana sy fitoriana ny tenin'Andriamanitra, hiran'ny Korala ary hira sy tsianjerin'ny ankizy sy ny tanora.
Aorian'iznay dia hisy fiaraha-miasakafon'ny mpianakavy koa manasa antsika mba hitondra sakafo, vary sy laoka ary desera mba hiaraha-mifaly
Marihina fa ny fotoana rehetra dia ho atao ao amin'ny cafeteria ambany noho ny fanamboarana izay atao ao amin'ny fiangonana.
Koa maniry antsika ho tonga maro. Iangaviana koa isika izay mahazo ity fanasana ity mba hanaparitaka azy amin'izay tsy tratr'antso
 

Homba antsika hatrany ny Tompo,

Ny Komity
 

http://www.fiangonanaetodc.org/

FANDRAISANA ANJARA:

Maro ny azonao handraisana anjara amin’ny fankalazana ny Krismasy:

· Krismasin’ny ankizy: hira sy tsianjery ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ny famerenana voalo­hany dia ho atao ny 6 desambra 2009 amin’ny 4:30 —5:30 ao amin’ny 2207 Greywing St, Woodbridge, VA 22191.

· Korala

· Fanentanana: hira sy talenta. Misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara ny 13 desam­bra 2009 no fara-fisoratana anarana amin’izany.  Koa iangaviana izay te-handray anjara hanoratra ao amin’ny ramarijaona@hotmail.com.

· Fanaingona sy fandaminana ny toerana

· Famakiana ny tenin’Andriamanitra

 

 

" FILAZANA MANJO "

Vaovao : Alakamisy 31 Desambra 2009 manomboka amin'ny 9:00 PM - 2:00 AM

FETIN’NY FARAN’NY TAONA

 

 

 

  

Ho antsika rehetra eto Amerika Avaratra,

 

Ny komity mpandrindra ny RSM 2009 dia faly manasa antsika rehetra tsy ankanavaka hiara hifaly sy hankalaza indray ity taona mitsingerina ity.

 

Ny fotoana ifanomezana dia ny Alakamisy faha 31 Desambra amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 2 maraina tsy ankihato ao amin’ny trano fanaovampety “The Westwood”, Buffet.

 

Ny vaovao farany sy ny antsipirihany rehetra mikasika ny fetin-tsika dia ho hita ao amin'ny  http://www.ratsimba.com/2009.

 

Ny vidim-pidirana isan'olona dia notsinjaraina
toy izao manaraka izao:

Malala-tanana: $100.00

13 taona ny miakatra: $65.00

5 – 12 taona: $40.00

Latsaky ny 5 taona: tsy mandoa vidim-pidirana.

Iangaviana nefa ianareo mba hamandrika toerana ho an'ireo ankizy 3 sy 4 taona na dia tsy handoavanareo vola ary izy ireo.

 

Ireo izay tsy namandrika ny toerany alohan’ny faha 26 Desambra, 2009 dia handoa $20.00 ambonin’ny saram-pidirana.

 

Raha sendra misy ny fanontaniana dia aza misalasala manontany amin'ny alalan'ity adiresy ity: rsmtristate@yahoo.com., na miantsoa ny iray amin’ ireto olona manaraka ireto: Carol-917-535-5348, Michel-888-644-2720, Herinanja-917-519-2197, Aime-908-247-8084

 

Misaotra indrindra mampita ity filazana ity ho an'ireo izay rehetra mety tsy  naharay ny antso.

 

Tongava maro hanafana ny fotoana…

 

 

NEW YEAR’S EVE BALL

The tri-State RSM 2009 Committee cordially invite you to usher in 2009 in fun, style and elegance, Buffet!

Date: Thursday, December 31st
Time: 9:00pm-2am
Location: The Westwood
Address: 438 North Avenue , Garwood , NJ 07027
Attire: Formal
RSVP: By December 26th at RSMtristate@yahoo.com

The latest updates as well as the details about this joyous event can be found at http://www.ratsimba.com/2009

 Admission:

*VIP - $100.00 per person (adult)

* Adults, 13 yrs and plus: $65.00 

* Children 5-12 yrs:$40.00

* Children up to 5 yrs: Free

If you have any questions, do not hesitate to e-mail us back at this e-mail address: rsmtristate@ yahoo.com, or call Carol-917-535-5348, Michel-888-644-2720, Herinanja-917-519-2197, or Aime-908-247-8084

 

Thanks for forwarding this reminder to any one who may not have received the invitation or the announcement yet.

 

Come and celebrate with us...

 

 

 

http://www.masombahiny.com
Heaven is a gift. Jesus is Lord. Exciting and uplifting web site with many things to ponder!

RSS to JavaScript